2 Corinthians 10

1Izaho, Paoly, miangavy anareo ny tenako, amin’ny fanetren-tena sy hamoram-panahin’i Kristy. Malemy fanahy aho rehefa eo amin’ny fanatrehanareo, nefa sahy ny aminareo aho rehefa tsy eo. 2Mangataka aminareo aho, rehefa miaraka aminareo aho, tsy mila sahy amin’ny fahatokisan-tena. Nefa aho mieritreritra fa mila sahy manohitra ireo izay mihevitra fa isika dia miaina araka ny nofo.

3Fa na izany aza dia mandeha araka ny nofo izahay, tsy miady araka ny nofo. 4Fa ny fiadiana izay iadianay dia tsy ara-nofo. Noho izany, manana hery avy any an-danitra ireo mba hamotehana ny fanahy ratsy. Fa tsy mitondra na inona na inona ny hevi-pitak’izy ireo.

5Ho simbaintsika ihany koa ireo zavatra avo izay manangana fanoherana ny fahalalana an’Andriamanitra. Fa mihevitra ny hambabo ny tsirairay amin’ny fankatoavana an’i Kristy isika. 6Ary miomana amin’ny famaizana ny fihetsika tsy fankatoavana rehetra isika, vantany vao tanteraka ny fankatoavanareo.

7Jereo mazava izay eo anoloanareo. Fa na iza na iza no resy lahatra fa izy no Kristy, aoka hampatsiahy ny tenany izy fa izy tokoa dia Kristy, dia toy izany koa isika. 8Eny fa na dia mirehareha kely aza aho momban’ny fahefantsika, izay nomen’ny Tompo antsika mba hananganana ary tsy hanimba anareo, tsy ho menatra aho.

9Tsy tiako izany ny hampihorohoro anareo amin’ny alalan’ny taratasiko. 10Fa ny olona sasany niteny hoe: “Matotra sy mahery ny taratasiny, nefa malemy ara-batana izy. Tsy mendrika hohenoina ny teniny.”

11Aoka ny olona tahaka ireny ahafantatra fa ireo teny ao amin’ny taratasinay tamin’ny fotoana tsy nahateo anay dia maneho ny asa tokony ho ataonay rehefa tonga any izahay. 12Tsy mandeha lavitra izahay na mampitaha ny tenanay amin’ireo izay midoka-tena. Fa raha mandrefy ny tenany amin’ny hafa izy ireo ary mampitaha ny tenany amin’ny hafa, dia tsy ho malina.

13Isika, na izany aza, tsy hirehareha mihoatra ny tokony ho izy. Fa kosa, ataonay ihany izany izay misy fetrany araka ny nanendren’Andriamanitra anay, fetra izay mahakasika anareo. 14Fa tsy mitandrina ny tenanay izahay rehefa tonga teny aminareo. Izahay no tonga voalohany hatrany aminareo niaraka tamin’ny filazantsaran’i Kristy.

15Tsy nirehareha mihaotra ny fetra isika ny momban’ny asan’ny sasany. Nefa kosa, antenainay fa hitombo ny finoanareo amin’ny asa lehibe miandry ny tsirairay, ary samy amin’ny fetrany avy. 16Fa izao no antenainay, mba ahafahanay mitory ny filazantsara na dia any amin’ny toerana lavitra anareo aza. Tsy hirehareha momban’ny asa efa vita tany amin’ny faritra hafa isika.

17“Nefa aoka ny iray izay mirehareha, hirehareha ao amin’ny Tompo.” Fa tsy ilay iray izay manolotra ny tenany no ankatoavina. Nefa kosa, aoka ilay iray izay natolotry ny Tompo.

18

Copyright information for PltULB